Izay mandao

Nampiditra: louvamifaly1
Sokajy: Antson'Andriamanitra, Fiainana mandrakizay,


Izay mandao an’ireny rehetra ireny,
Tadidio tsara re Rankizy

Mbola handray ny zato heny
Eto an-tany sy am-Paradisa izy

 
1-  Ilay tanana soa nidolana
Irony saha maro holovàna
Dia nafoinay mantsy ireny
Ho an’i Jesoa irery ihany
 
2- Zandry kely any mantsy izay
Mitomany fa tsy mahafoy
Fa nilaozana hany izany
Noho i Jesoa irery ihany
 
3- Dada tiana any an-trano any
Ary i Neny izay namalifaly
Dia nilaozana izany
Ho an’i Jesoa irery ihany
 
4- Indray hariva any lavitra any
Raha ho tapitra ny andronay
Tsy mba manana mpanotrona e
Fa i Jesoa irery ihany

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0360 s.] - Hanohana anay