Iny lalana izorako iny
Nampiditra: louvamifaly1
Sokajy:
Antson'Andriamanitra,
Iny lalana izorako iny,
No fiainako
hatramin’izao
Mbola tanako ankehitriny,
Fa voady mandrakizay
Tompo
ô, aza avela ho resy aho
Tompo ô, aza avela ho kivy koa ê
Tompo ô, mbola lavitra ny aleha
Henoinao izahay
Teny maro no efa reko,
Voa mafy hono izahay
Nefa kosa izay nekeko,
Tsy hiova mandrakizay
Eny maro no manadala,
Te hamily ny diako
Izaho kosa tsy te-hiala,
Fa Ianao re no tiako
Sanatria tsy mba noterena,
Fa nandeha tamin-tsitrapo
Olona afaka moa ny tena,
Ka mitady izay mahasoa