Ry Fo Masin'i Jesoa ô, mankalaza anao 'zahay:
Ny fitiavan'Andriamanitra no mirehitra aminao.
Masoandro lohataona ô, hazavao ny Nosinay;
Hamasino izahay, Jesoa ô, ho iray fo aminao.
1 Banjininay 'lay nolefoninay:
Ianao Jesoa ambonin'ny Lakroà.
Fara fitia no itiavanao:
Maty ho anay mba hamonjy anay.
2 Fo be fitia vohain'ny lefona;
Indro atolotrao ny rano sy ny ra:
Ho Bateminay sy ho Eokaristia;
Tsy voavalinay ny fitiavanao.
3 Masina Maria no hianaranay,
Miaraka aminao. akaikin'ny Lakroà;
Hotahafinay i Joany mpianatrao,
Eo anilanao, ho mpanonitra.