1 Any an-danitra anjakanao,
Ry Tompovavy mamiko,
Ny fitarainako henoy:
Mba iantrao, Maria, ny fahoriako.
Mba rahoviana, ry Reny,
Ny andro 'zay hialana
Amin'ity tany be rofy,
Ka hiakarako an-danitra any
Hihaonako aminao?
2 Be alahelo aho, ry Reny,
Atý an-tany lavitra anao;
Ny hasambarana toy ny nofy
Tsy azo antenaina mba ho anjarako.