1 Andro iray toa zato ny andro fetinao, Maria,
Mahavelona ny fanantenana
Sy mahafaly anay zanakao.
Arahaba, ry Reny madio,
Masina Maria Imakole;
Koa mba raiso ny antsom-pitia:
Ave, Maria.
2 Andro iray toa zato ny andro fetinao, Maria,
Mampitombo ny fifankatiavana
Sy mahafaly anay zanakao.
3 Andro iray toa zato ny andro fetinao, Maria,
Nampahazo soa be sarobidy
Sy mahafaly anay zanakao.