Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana aho re no dia nilaozanao
(Sal. 21b)
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Nahoana aho re no dia nilaozanao?
 
1 Izay rehetra mahita ahy maneso,
 Manondro molotra, mihifi-doha:
 "Ny Tompo no itokiany, aoka izy hanafaka,
 Aoka hamonjy, fa tia azy!"
 
2 Itangoronan'amboa maro aho,
 Saronan'andian'olon-dratsy:
 Ny tànana aman-tongotro noloahany,
 Ny taolako rehetra voaisany.
 
3 Ny akanjoko ifampizarany,
 Ny fitafiako ilokany...
 Fa ianao, ry Tompo, aza mijanona eny lavitra,
 Ry heriko ô, faingàna hamonjy ahy!
 
4 Izaho hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko
 Sy hidera anao eo am-piangonana:
 "Ry matahotra an'Andriamanitra, derao izy,
 Samia mankalaza azy ianareo rehetra".
 
                    Nampiditra Belle                
                                        
            
                            
                            Fihirana Hasina p.
                            389                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            92                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            260                        
                                    
