Ny firenen-drehetra dia hizotra

Ny firenen-drehetra dia hizotra
Tarafin'ny hazavan'ilay tanàna masina,
Ary ny mpanjaka eran-tany
Hitondra ao ny voninahiny. (Apok. 21, 24)

(Sal. 137) 

1 Amin'ny foko manontolo
 Amin'ny foko manontolo
 No isaorako anao, ry Tompo ô,
 Anoloan'ny Anjely aho no miantsa anao,
 Miankohoka manatrika ny tempolinao masina.
 
2 Ny anaranao isaorako,
 Ny anaranao isaorako
 Noho ny fitiavana amam-pahamarinanao,
 Fa satria ny anaranao ary koa ny teninao
 Dia asandratrao ambony noho ny zavatra rehetra.
 
3 Ny andro iantsoako, Ianao mamaly,
 Ny andro iantsoako, Ianao mamaly
 Ary mampitombo hery ny fanahiko;
 Dia misaotra anao daholo ny mpanjaka eto an-tany,
 Fa haheno ireo teny nolazain'ny vavanao.
 
4 Dia ny lalan'izy Tompo,
 Dia ny lalan'izy Tompo
 No hirain'izy ireo hatrany hatrany
 Hoe: "Lehibe tokoa ny voninahitry ny Tompo!"
 Na ambony aza izy, mahatsinjo ny madinika.
 
5 Avy lavitra ny Tompo,
 Avy lavitra ny Tompo
 Mahatazana ny olo-mpiavonavona.
 Raha mizotra afovoam-pahoriana lalina aho,
 Dia ianao indrindra, Tompo, no mamelombelona ahy.
 
6 Ny fahavaloko efa vinitra,
 Ny fahavaloko efa vinitra
 Aninjiranao ny tananao, ry Tompo;
 Ka ny tananao havanana no ahazoako fandresena.
 Tokoa moa raha mba misy tsy ataon'ny Tompo ho ahy!
 
7 Ny fitiavanao, ry Tompo,
 Ny fitiavanao, ry Tompo,
 Dia maharitra doria mandrakizay;
 Aza ilaozanao ny asa soa nataon'ny tananao.
 Koa misaotra anao izahay, ô ry Andriamanitra ô!
 
8 Avo indrindra ianao, ry Ray,
 Avo indrindra ianao, ry Ray,
 Ilay mitsinjo anay madinika sy kely,
 Sy ianao Jesoa Mpamonjy nietry tena ho toa anay,
 Ary ianao Fanahy Masina Fitiavana sy Hery.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 443
Fihirana Hasina p. 356
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194