Arahaba, ry Mpanjakavavy (2), ry Reny, Masina Maria be indrafo

Arahaba, ry Mpanjakavavy,
Ry Reny, Masina Maria be indrafo!
 
1 Fiainanay ianao sy fanantenanay,
 Fialofanay rehetra
 Zanak'i Eva voasesitany aty.
 
2 Ianao no antsoinay mba hankahery anay,
 Raha sendra ka mijaly
 Ny tenanay sy ny fanahinay.

3 Topazo maso re ka iantrao 'zahay,
 Ianao anie no Reny,
 Ianao no mpisolovavanay.
 
4 Rahefa vita soa 'ty sesitany ity,
 Tongava hitondra anay e
 Hiakatra eo akaikin-Janakao.
 
5 Izany no antsonay sy vetsovetsonay,
 Ry Reny be fitia ô,
 Masina Maria virjiny maminay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 340
Fihirana Vaovao p. 513
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781