Andeha isika hiara-dia, Ô ry vahoaka izay manerana ny tany
Andeha isika hiara-dia,
Ô ry vahoaka izay manerana ny tany;
Andeha isika hiakatra amin-kafaliana
Ho any an-tranon'i Iaveh. (indroa)
(Sal. 121)
 
1 Ny lalanay mizotra mankany aminao,
 Fa any aminao no misy ilay fonenanay.
 Endrey izany haravoana raha nilazana hoe:
 Andeha hiroso any an-tranon'i Iaveh.
 
2 Jereo, ry Tompo ô, 'zahay vahoakanao,
 Fa tafavory etoana ho foko tokana.
 Omeo fitahiana sy fanambinana,
 Tolory andro lava amam-piadanana.
 
3 Mba tsofy rano, Tompo, ny hasasaranay,
 Valio zato heny ny kely vitanay;
 Tantano re 'zahay ho tody any aminao,
 Mba hankalaza anao anio, mandrakizay.

