Marina, be fitiavana

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Samihafa,


  • Fihirana Dera p. "91
  • Vavaka sy Hira p. "256
  • Fihirana Vaovao p. "58

Fiv: Marina, be fitiavana, masina ny Tompo.

1 - Sambatra ireo mahantra ao am-panahy,
Fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
2 - Sambatra ireo malemy fanahy,
Fa handova ny tany.

3 - Sambatra ireo mitondra fahoriana,
Fa hahazo fampiononana.
4 - Sambatra ireo noana sy mangetaheta ny marina,
Fa ho voky izy.

5 - Sambatra ireo mamindra fo,
fa hamindrana fo.
6 - Sambatra ireo madio fo,
Fa hahita an'Andriamanitra.

7 - Sambatra ireo mampihavana,
Fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra.
8 - Sambatra ireo miaritra fanenjehana noho ny fahamarinana,
Fa azy ny fanjakan'ny lanitra.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay