Jesoa, ny fitiavanao anay

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Dera p. "89
1 - Jesoa, ny fitiavanao anay

No itoeranao atay aminay ;

Tiako ny hamaly fitiavana Anao

Ny foko hazony hitoetra ao Aminao, ry Jesoako.


2 - Jesoa, mba manina Anao ny foko

Ka mahita Anao ny finoako ;

Indro variana mibanjina Anao,

Mitsaoka, mivavaka sy mifona Aminao, ry Jesoako.


3 - Jesoa, ny Ranao sy ny Nofonao

No amahananao ny tenako ;

Endrey, sambatra aho manana Anao

Aty an-tany, indrindra any an-danitra any, ry Jesoako.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay