Ny finoana marina mahay mahita Anao

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Sakramenta Masina, Komonio,


  • Fihirana Dera p. "88
  • Fihirana Hasina p. "644
  • Vavaka sy Hira p. "566
  • Fihirana Vaovao p. "369

1 - Ny finoana marina
Mahay mahita Anao
Anatin'ny mistery
Iankohofanay.

Fiv: Ry Jesoa mofo velona,
Izahay manantena
Hahita Anao an-danitra any,
Raha avy 'zay farandro
'Zahay hahita Anao.

2 - Mba omeo anay e
Izany fahendrena
Tian'ny Fonao Masina
Hitoetra ao am-ponay.

3 - 'Zay tratry ny aintsika
Ataovintsika izao,
Hidera sy hanaja
Ny Zanaharintsika.

4 - Tahio izahay e
Ry Jesoa Tomponay
Aoka hotandremanay
Ny hamasinanao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay