Dony ny hira fanajana

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Komonio,


  • Vavaka sy Hira p. "750
  • Fihirana Dera p. "86
  • Fihirana Hasina p. "433
  • Fihirana Vaovao p. "370

1 - Dony ny hira fanajana
Sy fiderana Zanahary ;
Ry manana aina, miankohofa eo anatrehan'i Jesoa. (3)


2 - Izay miery ao anatin'
Ny endri-mofo sy divay ;
Izy tokoa no Zanahary nanao sy nanavotra antsika. (3)


3 - Ry Tompo mamin'ny fonay e,
Velomy ao anatinay
Finoana mafy sy fitiavana hoentinay mandray Anao. (3)
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay