Hanambara ahy ny Fanahy

Nampiditra: Belle
Sokajy: Tononkira, Masina Maria,


  • Ankalazao ny Tompo p. "207
  • Fihirana Hasina p. "287
  • Antsao ny Tompo p. "44
  • Vavaka sy Hira p. "426
  • Fihirana Vaovao p. "154

Hanambara ahy ny Fanahy,
Hanafaka ny alahelonareo;
Hanambara ahy ianareo,
Hanakafaka ny alahelon'ny olona.
 
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
 'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
 Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
 'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
 Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
5 Mpanarina an'Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!
 

(Be Gilbert)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay