(Lio. 1, 46-55)
1 Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
Faly ao aminy ny foko.
Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
Faly ao aminy ny foko.
2 Izy niantra ny ankizivaviny,
Ny vahoaka hiantso hoe: Sambatra aho.
3 Zava-dehibe no nataony tamiko,
'Zay matahotra azy hotahiny hatrany.
4 'Zay manandra-tena haetriny,
'Zay manetry tena hasandrany.
5 Izy niantra ny vahoaka Israely,
Fa tsy hadinoiny izay namindrany fo.
6 Ka ny toky izay nomeny an'i Abrahama,
Indro ankehitriny tanterahiny.
7 Voninahitra anie ho an'Andriamanitra,
Fiderana anie ho azy mandrakizay.