Izay mandray anareo, mandray ahy

Izay mandray anareo, mandray ahy;
Izay mandray ahy, mandray ny Ray
'Zay naniraka ahy. (Mt. 10, 40)

(Lk. 1, 46-55)
 
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
 'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".
 
3 'Lay mandrakizay ny indrafony
 Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
 'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry,
 Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
5 Mpanarina an'i Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Ankalazao ny Tompo p. 258
Fihirana Hasina p. 284
Fihirana Vaovao p. 324
Vavaka sy Hira p. 426
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077