Sambatra ianao e nino ny Tompo

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "314
  • Vavaka sy Hira p. "385
  • Fihirana Hasina p. "273
  • Ankalazao ny Tompo p. "386
  • Fihirana Dera p. "213

Sambatra ianao e nino ny Tompo, sambatra e )
Ataony tokoa                                                   ) (indroa)
'Zay voalazany anao e, sambatra e.                 ) (Lk. 1, 45)

(Sal. 150)
1 Derao Andriamanitra any an-toerany masina,
 Derao eny an-danitra isehoan'ny heriny,
 Derao amin'ny asany feno fahefana,
 Derao fa ambony lehibe tapitra ohatra.
 
2 Derao izy amin'ny feon'anjomara
 Derao izy amim-baliha sy lokanga,
 Derao izy amin'ny jejy sy sodina,
 Derao izy amin'ny dihy sy amponga.
 
3 Derao izy amin'ny feon'ny kipantsona,
 Dia amy kipantsona fienti-mamindra;
 Ny voaary rehetra izay manana aina
 Dia aoka hihira, hidera ny Tompo.
 
4 Derao Andriamanitra be voninahitra,
 Derao koa ny Zanaka fa voninahiny,
 Derao ny Fanahy noho izy nirahiny
 Hampientana antsika hihira ny anarany.

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0647 s.] - Hanohana anay