Ny voninahitr'Andriamanitra Ray hamirapiratra eo amin'i Kristy

Ny voninahitr'Andriamanitra Ray
Hamirapiratra eo amin'i Kristy,
Eo amin'ny Fiangonany
Mandrakizay, mandrakizay,
E mandrakizay. (Ef. 3, 21)

(Sal. 150)
 
1 Derao Andriamanitra any an-toerany masina,
 Derao eny an-danitra isehoan'ny heriny,
 Derao amin'ny asany feno fahefana,
 Derao fa ambony lehibe tapitra ohatra.
 
2 Derao izy amin'ny feon'anjomara
 Derao izy amim-baliha sy lokanga,
 Derao izy amin'ny jejy sy sodina,
 Derao izy amin'ny dihy sy amponga.
 
3 Derao izy amin'ny feon'ny kipantsona,
 Dia amy kipantsona fienti-mamindra;
 Ny voaary rehetra izay manana aina
 Dia aoka hihira, hidera ny Tompo.
 
4 Derao Andriamanitra be voninahitra,
 Derao koa ny Zanaka fa voninahiny,
 Derao ny Fanahy noho izy nirahiny
 Hampientana antsika hihira ny anarany.


 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 88
Fihirana Dera p. 213
Fihirana Hasina p. 273
Fihirana Vaovao p. 328
Vavaka sy Hira p. 385
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1229