Aleloia, aleloia, aleloia. - Hobio ny Tompo ao an-tranony masina
Aleloia, aleloia, aleloia.
(Sal. 150)
1 Hobio ny Tompo
Ao an-tranony masina, aleloia.
Hobio ny Tompo
Amin'ny fiketrahany, aleloia.
2 Derao ny Tompo
Mahagaga ny asa nataony, aleloia.
Derao ny Tompo
Lehibe sy mandrakizay, aleloia.
3 Hirao ny Tompo
Amin'ny fiandrianany, aleloia.
Amin'ny feon'ny valiha
Sy ny feon'ny lokanga, aleloia.
4 Hirao ny Tompo
Amin'ny amponga maredona, aleloia.
Ny dihy sy ny sodina
Aman-java-maneno, aleloia.
5 Amin'ny kipantsona
Manga feo mikarantsana, aleloia.
Hirao ny Tompo,
Ry manana aina rehetra, aleloia.
Nampiditra Belle
Fihirana Dera p.
68
Fihirana Hasina p.
272
Fihirana Vaovao p.
130
Vavaka sy Hira p.
386