Matoky anao 'zahay, matoky anao, ry Tompo

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Vavaka sy Hira p. "363
  • Fihirana Hasina p. "262
  • Fihirana Vaovao p. "279

Matoky anao 'zahay,
Matoky anao, ry Tompo,
Iaveh mpamindra fo.

(Sal. 129)
 
1 Anaty hantsana aho no miantso ny anaranao:
 Henoy ny feoko.
 Ny sofinao anie hihaino ny antsoko,
 Vavaka mitaraina.
2 Raha toa hotananao ny heloka vitanay,
 Iza no haharitra?
 Mpamela heloka ianao, mba hanajana anao,
 Tompo be indrafo.
3 Manantena anao, miandry ny teninao
 Ny foko sy fanahiko.
 Toy ny mpiambina miandry masoandro,
 'Zaho miandry ny Tompo.
4 Ao aminao, ry Ray, no misy ny indrafo
 Ary ny famonjena.
 Izy hanavotra 'reo zanak'i Israely
 Amin'ny ota rehetra.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay