Sambatra 'zay mitomany

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Vavaka sy Hira p. "361
  • Fihirana Hasina p. "260
  • Ankalazao ny Tompo p. "216

Sambatra 'zay mitomany fa halàna alahelo(Mt. 5, 5)

(Sal. 125)
 
1 Raha nampody ny babo nankao Siôna izy Tompo,
 Moa va tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
 Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tam'izay!
 Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay!
 
2 Takoritsika re 'zao nataon'ireo firenena:
 "Fa mba lalina indray 'ty nataon'ny Tompo azy ireo!"
 Eny, lalina ho'aho 'ty nataon'ny Tompo taminay!
 Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay!
 
3 Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo:
 Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
 Rah'mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
 Mbola hijinja ao anatin'ny hafaliana aoriana!
 
4 Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany
 'Reo mpamboly mivoaka mandeha mamafy voa,
 Mbola hiverina kosa avy any ireo, velon-kira,
 Fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano!
 
5 Eny, isaorana indrindra ny Ray nitondra mba hody,
 Sy ny Zanany tonga nitari-dalana anay!
 Mbola isaorana toraka izany koa ny Fanahy,
 Hasambaran'ny ory sy mpankahery ny malahelo.



 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay