Derao, derao i Iaveh (Sal 117)
(Sal. 117)
Derao, derao i Iaveh, fa tsara fo i Iaveh.
 
1 Ankalazao ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo:
 Mandrakizay endrey ny fitiavany.
 
2 Ry tranon'i Israely, aoka izy hilaza hoe:
 Mandrakizay endrey ny fitiavany.
 
3 Ny tranon'i Aarôna, aoka izy hilaza hoe:
 Mandrakizay endrey ny fitiavany.
4 Nasehon'izy Tompo ny herin-tsandriny:
 Ny tanany mahery no namonjeny ahy.
 
5 Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana:
 Hidirako hisaotra an'Andriamanitra.
 
6 Misaotra anao, ry Ray, nanambina ahy ianao.
 Ianao no vonjiko, namelona ahy indray.
 
7 Ity no andro soa izay nataon'ny Ray:
 Ka 'ndeha hiravoravo isika zanany.
 

