(Sal. 116)
(Dera sy laza anie ho anao, ry Tompo)
Dera sy laza, dera sy laza ho anao, ry Tompo.
Dera sy laza, dera sy laza ho anao, ry Tompo.
1 Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra,
Samia mankalaza ny Tompo ianareo, ry vahoaka.
2 Tsy lefy amintsika ny hatsaram-pony,
Fa mandrakizay ny fahamarinany.
3 Anao re, ry Ray, ny hasina sy hery,
Anao re, ry Zanaka, anao, ry Fanahy Mpanamasina.