(Sal. 111)
Mba sambatra 'zay matahotra ny Tompo re,
Mba sambatra 'zay matoky, mino azy re,
Mba sambatra 'zay matahotra ny Tompo re,
Mba sambatra 'reo 'zay tia anao, ry Iaveh!
1 Mba sambatra izy ireo matahotra an'i Iaveh
Sy mankasitraka ireny didiny.
Fa ny taranany hahery an-tany aty,
Ireo solofony hambininy avokoa.
2 Ka dia hiadana ny tokantranony,
Fahamarinana ho anjara lovany,
Anaty haizina dia hotsilovina
Ny olo-marina sy be fitiavana.
3 Hisandratra tokoa, tadidy anarana,
Ny olo-marina ho rakotry ny soa.
Raha ilazana loza, tsy mba matahotra,
'Lay Andriamanitra no itokisany.
4 Mihidy vazana izay mialona,
Fa sasa-poana, tsy mahatohitra.
Ny olo-marina malala-tanana,
Be voninahitra, arovan' izy Ray.