Teraka ho antsika i Kristy
Teraka ho antsika i Kristy, avia re hitsaoka azy.
1 Hobio izy Tompo, ry tany tontolo,
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
2 Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!
3 Fa azy isika satria nohariany
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,
5 Derao izy Tompo, ny anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
Am'taona rehetra ny fahamarinany.
7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
Hihoby 'lay Zanany ombam-pahefana,
8 Derao ny Fanahy manamasina antsika.
Manentana antsika hihoby ny Tompo.
Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p.
334
Fihirana Dera p.
299
Fihirana Hasina p.
240
Fihirana Vaovao p.
29
Vavaka sy Hira p.
333