Amin'ny anaran'i Jesoa, aoka hiaiky ny velona rehetra
Amin'ny anaran'i Jesoa,
aoka hiaiky ny velona rehetra
Fa i Jesoa dia Tompo,
efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.
(Fil. 2, 11)
 
1 Hobio izy Tompo, ry tany tontolo,
 Ka fo falifaly anompoana ny Tompo,
 Tongava eo aminy mihira, miravo.
 
2 Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
 Fa azy isika satria nohariany
 Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
 
3 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
 Ny ao an-kianjany idiro amin-dera:
 Derao izy Tompo, ny anarany isaory.
 
4 Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
 Am'taona rehetra ny fahamarinany.
 
5 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
 Hihoby 'lay Zanany ombam-pahefana,
 Derao ny Fanahy manamasina antsika.
 

