Ry vahoaka voafidy

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "245
  • Fihirana Hasina p. "234
  • Vavaka sy Hira p. "326
  • Fihirana Dera p. "179
  • Ankalazao ny Tompo p. "134
  • Fihirana Dera p. "179

(Sal. 94)

Ry vahoaka voafidy,
Voafidin'Andriamanitra,
Avia hitsaoka ny Tompo,
An'ilay Filoha sy Mpiandry anao.
 
1 Avia mifalia ka hobio ny Tompo,
 Ilay vatolampy sy vonjintsika.
 Andeha mankeo anoloany hisaotra,
 Hihira sy hiantsa ary hankalaza azy. 

2 Fa izy Andriamanitra sady Tompo,
 Mpanjakan'ireo andriamani-kafa
 Ny atin'ny tany eo am-pelatanany,
 Ny tampon'ny vohitra azy koa.

3 Nataony ka azy ny ranomasina,
  N'tanety azy koa fa asan-tanany.
  Avia miondreha ary miankohofa
  Hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.

4  Fa izy no tena Andriamanitsika,
  Isika vahoaka sy ondry fiandriny.
  Hihaino azy ve ianareo anio?
  Fa izao no ambarany sy lazainy:

5 Aza dia mafy fo toy ny tany an'efitra,
 Toy ny tany Masà sy tany Meribà.
 Ny razanareo dia nitsapa ahy!
 Kanefa nahita ny asa vitako.

6 'Ty taranaka ity efapolo taona
 Dia nahatofoka ahy, nahatezitra ahy.
 Vahoaka mpaniasia tokoa ity,
 Tsy mety hahalala ny tena lalako; 

7 Vahoaka mpaniasia tokoa ity,
 Tsy mety hahalala ny tena lalako;
 Koa tezitra aho ka nianiana
 F'ireto tsy hiadana miaraka amiko.

8 'Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,
 Ny Ray be fitia 'zay nifidy antsika.
 Ny Zanany nentiny niantso antsika,
 Fanahiny kosa nomeny antsika!

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay