Ny voa nafafy e tsy maintsy maty
Ny voa nafafy e tsy maintsy maty e,
Mba hamokarany zato heny. (Jn. 12, 24)
(Sal. 91)
1 Tsara ny misaotra anao, ry Tompo,
Miantsa ny anaran'ny Avo indrindra;
Ny hatsaram-ponao raha vao maraina,
Ny fahamarinana nony alina.
2 Dia am'tory folo sy valiha
Ravahan-kalokalo sy lokanga;
Ka faly aho mahita ny asanao,
Sy ravo noho ny vitan-tananao.
3 Akory fa lehibe ny vitanao,
Mba lalina rah'ny fisainanao!
Ny tsy ampy saina no tsy mahalala,
Adala foana ireo tsy mahatsapa.
4 Mahomby sady faly ve ny ratsy?
Dia rariny avokoa ve 'zay ataony?
Tsy ho ela dia ho ringana izy ireny,
Ianao, manko, Tompo tena avo.
5 'Reo fahavalonao jereo fa toro!
Mihanaka avokoa ny olon-dratsy;
F'izaho nihanatanjaka aoka izany,
Satria voahosotrao ka manan-kery.
6 Bandriniko tokoa ny fahavalo,
Ary henoko avokoa ny teti-dratsy;
Ny marina maniry toa antrendry,
Dia tahaka ny sederan'i Libàna.
7 Maniry ao an-tranon'izy Tompo,
Dia ao an-kianjan'ny Andriamanitsika;
Hamokatra na dia efa antitra aza,
Misondrotra tokoa ny tsiron-kazo.
8 Izany dia mitory fa mahitsy
Ny Tompo Vatolampy tsy mikoro;
Ny rariny misoritra ho lalàny,
Ny hitsiny no tokana tandroiny.
9 Fa tsara ny misaotra anao, ry Ray,
Ny zanaka 'zay loharanon'aina,
Fa tsara koa ny miara-mankalaza,
Mihoby anao Fanahy 'zay mankahery.