Tompo ô, asehoy anay ny hatsaram-ponao

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Hasina p. "224
  • Fihirana Vaovao p. "13

Tompo ô, asehoy anay
Ny hatsaram-ponao.
 
1 Hihaino ny tenin'ny Tompo aho:
 Moa izy tsy hilaza fiadanana ho an'ny olony?
 Eny, akaiky an'izay matahotra an'Andriamanitra
 Ny famonjena,
 Ka honina amin'ny tanintsika
 Ny voninahitr'izy Tompo.
 
2 Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana,
 Mihavana ny rariny sy ny fiadanana;
 Tonga tsiron'ny tany ny fahamarinana,
 Tonga andon'ny lanitra ny rariny.
 
3 Ny Tompo manome orana sy godona,
 Ka ny tanintsika tonga mahavokatra.
 Ny rariny mialoha an'Andriamanitra,
 Ny fiadanana manaraka ny diany.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay