Tsy vahiny, tsy olo-manjeny ianareo

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Ankalazao ny Tompo p. "186
  • Fihirana Hasina p. "223
  • Vavaka sy Hira p. "309
  • Fihirana Vaovao p. "522

Tsy vahiny, tsy olo-manjeny ianareo,
Fa miombon-dova amin'ny Olomasina,
Ary fianakavian'Andriamanitra. (Ef. 2, 19)

(Sal. 83)
 
1 Endrey tena kanto ny fonenanao,
 Ry Tompon'ireo Fahefana sy Hery,
 Manembona anao lalandava ny foko
 Misento maniry ny kianjanao.
 
2 Endrey velon-kira mihoby ny foko,
 Mientana faly, miandra azy Tompo,
 Fa velona sady manjaka tokoa
 Ilay Andriamanitra Fanantenako.
 
3 Ny voromanidina ireny tsy lao,
 Ireo sidintsidina mbamin'ny fody,
 Mitoetra manila ny ôtelinao,
 Ry Tompo Mpanjakan'ny tany tontolo.
 
4 Endrey ny hasambaran'ny vahoakanao,
 Mihoby, midera tsy tapaka anao,
 Miravo tokoa izay mitoky aminao,
 Mavitrika, tojo ny lalan-kombana.
 
5 Ny tany mangentana, indro zahao:
 Miboika ny rano fanala hetaheta.
 Ny voalohan'orana zary tsodrano,
 Mipatraka mora sy mamelombolo.
 
6 Endrey fa mitombo 'zaitsizy ny hery,
 Mirroso tsy miato hatrany ny dia,
 Mitety havoana ka maila-pandeha,
 Matoky hahita ny Tompo ao Siôna.
 
7 Henoy re ny feoko, ry Tompo mahery,
 Ry ain'i Jakôba, mba ombay mitsinjo,
 Ianao, manko, Tompo Ampinga sy Aro,
 Tazano 'lay hany nofinidinao.
 
8 Ny andro iray ao an-kianjanao,
 Mihoatra ny arivo an-toerana hafa,
 Aleoko mandia 'zany tokonanao,
 Tsy tiako ny lay manalavitra anao.
 
9 Fa Manda mijoro sy Ampinga ny Tompo,
 Manetsaka soa aman-kaja 'reo tiany,
 Mambomba hasambarana hatrany hatrany,
 Ny olony vonon-kahitsy famindra.
 
10 Ry Tompon'ireo Fahefana sy Hery,
 Endrey 'zany soa sy firavoravoana
 Iriariavan'ny vahoakanao,
 Matoky sy miankina mafy aminao.
 
11 'Lay Ray Tompontrano hanangana antsika,
 'Lay Zanany tonga nitondra ny antso,
 'Lay Hery atolony dia ny Fanahy:
 Ombantsika saotra fa Andry sy Toky.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay