Voninahitra sy dera, fankasitrahana ho anao, Tompo ô

(Sal. 80)

Voninahitra sy dera, fankasitrahana ho anao,
Tompo ô.
 
1 Ho anao, ry Tompo mahery,
 Ry Andriamanitr'i Jakôba,
 'Reto hira 'zay redoninay
 Miaraka amin'ny feom-baliha.
 
2 Amin'ny diavolam-penomanana,
 Raha hilanona izahay,
 Hovelezinay ny amponga
 Hihobiana anao, hanao hoe:
 
3 Fa izany moa no fitsipika
 Ary lalàna nomenao:
 Amin-kafaliana re, ry Tompo ô,
 No hanaovanay ny hoby hoe:
 
4 Toa manjary maivana ny entanay,
 Fa nanesoranao, ry Tompo:
 Nohenoinao ny antsonay
 Tao anatin'ny fahoriana.
 
5 Ianao irery no Tompo,
 Ry Andriamanitr'i Israely;
 Fa ireo andriamani-kafa,
 Zava-poana, vato aman-kazo.
 
6 Ry Andriamanitra Ray,
 Ry Andriamanitra Zanaka,
 Ry Andriamanitra Fanahy,
 Faly ny fonay manao hoe:
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 221
Fihirana Vaovao p. 163
Vavaka sy Hira p. 308
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0249