Fa tokana manko Andriamanitra
Fa tokana manko Andriamanitra e,
Fa tokana ihany ny Mpanalalana e,
Dia i Jesoa Tompontsika ô. (indroa) (1Tim. 2, 5)
(Sal. 80)
1 Hobio Andriamanitra herintsika,
Derao Andriamanitra, ry Jakôba,
Venteso ny hira, ivelezo aponga,
Tendreo ny lokanga, ombao valiha.
Fa na lohataona na fararano,
Itsofy anjomara hilanonantsika;
F'izany no didy ho an'i Israely,
Nomen'Andriamanitra an'i Jakôba.
2 Nataony lalàna ho an'i Jôsefa,
Dia fony izy niala avy tany Ejipta.
Fa inona moa izany teny reko?
Toa teny tsy fantatro, teny hafa:
"Nalako eo an-tsorony re ny bao
Sy ny enta-mavesatra nolanjainy;
Niantso raha ory ka novonjeko,
Tanaty oram-baratra novaliako.
3 Ianao, ry vahoakako, mihainoa,
Ry Israeliko, mandrenesa:
Tandremo mitsaoka andriamani-kafa,
Mandray ny andriamanitr'ireo vahiny
F'izaho re no Tompo Andriamanitrao,
Nampakatra anao avy tany Ejipta:
Misokatra tsara ve izato vava?
Avy etsy hofenoiko sakafo soa".
4 Kinanjo ny oloko tsy nihaino,
I Israely nanosika ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany,
Hanaraka tsara 'zay sitrapony.
Indrisy! raha nihaino ahy 'reo olon-tiako,
Ka i Israely nanaraka ahy:
Dia ho noreseko ny fahavalo,
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.
5 Ireo mpankahala ho nandadilady,
Ho nanaiky resy tanteraka izy.
Ny oloko ho nomeko vary kanto,
Niampy tantely tam-batolampy.
Isaory ny Ray fa niahy antsika;
Ny Zanany nentiny hamonjy antsika;
Hobio ny Fanahy izay nomena antsika,
Mizara ny soa hamokarantsika!