Hiantran'Andriamanitra

1   1 Hiantran'Andriamanitra anie isika, hotsimbininy,
        Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
 
     2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
        Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.
 
     3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
        Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny anaranao.
 
2   4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
        Fa ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
 
     5 Fa ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
       Sy manjaka am'ireo firenen-drehetra isan-tokony.
 
     6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
        Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny anaranao.
 
3    7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
        Andriamanitra manko, Andriamanitsika: mitsimbina.
 
      8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
         Ka ho masina eran'ny vazantany ny anarany.
 
      9 Voninahitra anie ho an'ny Ray nandefa ny Zanany,
         'Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 189
Vavaka sy Hira p. 298
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.059