Fa natory izany Tompo, tao an-tsambo niampitana

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Samihafa,


  • Ankalazao ny Tompo p. "266
  • Fihirana Hasina p. "304
  • Fihirana Dera p. "222
  • Vavaka sy Hira p. "423
  • Fihirana Vaovao p. "280

Fa natory izany Tompo
Tao an-tsambo niampitana
Nihotakotaka ny onja
Ka ny rivotra tsy tana.
Ka ny mpianatra izay teo
Niantsoantso hoe: "Vonjeo!
Fa ho faty izahay!
Aiza Ianao, Tompo ô ? Haingàna!"
 
Eto an-tany koa isika
Mahatsiaro ho tena very
Toa matory izany Tompo
Ka namela antsika ho irery.
Honjohonjontsika sisa
Mamoy fo, mamisavisa ;
"Fa matory ve ny Tompo,
Sa aiza Izy no miery ?"
 
Tsy matory anie ny Tompo,
Sanatria tsy manadino,
Mbola ho avy ny fotoana
Hamonjena antsika mino.
Tsy hisy loza, tsy hisy atambo
Afa-mandrendrika ny sambo:
Fa ny Tompo tia antsika,
Miara-miondrana amintsika.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0082 s.] - Hanohana anay