Ny tany, ny hareny

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Vavaka sy Hira p. "261
  • Fihirana Hasina p. "204

(Sal. 23)

1 Ny tany, ny hareny: azy Tompo avokoa,
 Dia izao rehetra izao ary izay monina ao,
 Naoriny ambonin'ny rano izy ireny,
 Napetrany tsara eo ambonin'ny ony;
 
2 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo,
 Hanorim-ponenana an-toerany masina?
 Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
 Sy 'zay tsy mianiana tsy to amin'ny hafa;
 
3 Dia izy no hany hotsofina rano,
 Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy,
 Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha
 Ny endrik'ilay Andriamanitra Tompo.
 
4 'Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
 'Nareo varavarana re, misondrotra!
 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
 Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
 
5 Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
 Ny Tompon'ny tafika mahery an'ady!
 'Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
 'Nareo varavarana re, misondrota;
 
6 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
 Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
 Ny Tompon'ny tafika mahery an'ady,
 Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!
 
7 Handeha àry hiara-midera ny Tompo!
 Ny Ray: hanome voninahitra antsika;
 Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;
 Fanahiny: nanamarina antsika!

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay