Ho tampoka ny fiavian'ny Tompo

Ho tampoka ny fiavian'ny Tompo,
Samia àry vonona hitsena azy isika.

(Sal. 23)

1 Ny tany, ny hareny: azy Tompo avokoa,
 Dia izao rehetra izao ary izay monina ao,
 Naoriny ambonin'ny rano izy ireny,
 Napetrany tsara eo ambonin'ny ony;
 
2 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo,
 Hanorim-ponenana an-toerany masina?
 Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
 Sy 'zay tsy mianiana tsy to amin'ny hafa;
 
3 Dia izy no hany hotsofina rano,
 Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy,
 Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha
 Ny endrik'ilay Andriamanitra Tompo.
 
4 'Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
 'Nareo varavarana re, misondrotra!
 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
 Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
 
5 Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
 Ny Tompon'ny tafika mahery an'ady!
 'Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
 'Nareo varavarana re, misondrota;
 
6 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
 Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
 Ny Tompon'ny tafika mahery an'ady,
 Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!
 
7 Handeha àry hiara-midera ny Tompo!
 Ny Ray: hanome voninahitra antsika;
 Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;
 Fanahiny: nanamarina antsika!

 
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 294
Fihirana Hasina p. 204
Fihirana Vaovao p. 292
Vavaka sy Hira p. 261
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856