Misaotra anao 'zahay, Andriamanitra ô,
(Tompo Rainay)
Misaotra anao 'zahay, mankasitraka,
(Sy midera anao)
Misaotra anao 'zahay, Andriamanitra ô,
(Lehibe ny fitiavanao)
Misaotra anao 'zahay, mankasitraka.
1 Eran'ny fonay, eran'ny sainay )
No isaoranay e ny fitiavanao. ) (indroa)
2 Fa ny Zanakao no natolotrao )
Mba hinoanay e ny fitiavanao. ) (indroa)
3 Fa ny helokay no navelanao )
Hampiharihary e ny fitiavanao. ) (indroa)
4 Ny Fanahinao no nirahinao )
Mba hiainanay e ny fitiavanao. ) (indroa)