Tompo ô, 'zany hafaliako

Nampiditra: Belle
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Vaovao p. "122
  • Vavaka sy Hira p. "695
  • Fihirana Hasina p. "191
  • Ankalazao ny Tompo p. "178
  • Fihirana Dera p. "204

Tompo ô, 'zany hafaliako zanakao natsanganao e;
I Kristy no ato amiko: velona aho fa velona izy.
 
1 I Kristy no masoandro be, hazavana avy aminao, ry Ray;
 Izahay no toy ny tarany manazava izao tontolo izao.
 
2 Faniriana ny ho velona, vetsovetso ny ho sambatra;
 I Kristy no tena aina, hasambarana mandrakizay.
 
3 Fikasana ny hihavana, mba ho tia sy hotiavina;
 I Kristy no be fitiavana, izy monina ato am-ponay.
 
4 Tia anao 'zahay fa zanakao, Rainay tsy mbola hitanay;
 I Kristy eto afovoanay no mitaona anay ho aminao.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0067 s.] - Hanohana anay