Misaotra anao, Jesoa hôstia

Nampiditra: Belle
Sokajy: Komonio,


  • Vavaka sy Hira p. "747
  • Fihirana Dera p. "94
  • Fihirana Hasina p. "188
  • Fihirana Vaovao p. "378

1 Misaotra anao, Jesoa hôstia,
 Misaotra anao i Madagasikara:
 Mahafaly anay ny fitiavanao.

Dera sy laza no atolotray
Ho anao, ry Mpamonjy tsara fo,
Anjakao 'zahay, Kristy.
 
2 Ny Vatanao sy ny Ranao
 No natolotrao hamonjena anay:
 Mahagaga loatra ny fitiavanao.
 
3 Ela tokoa no nanolorana
 Ny lamesa masina teto aminay:
 Lehibe tokoa ny fitiavanao.
 
4 Manome toky 'zahay rehetra
 Fa ho tia anao sy handray anao:
 Maminay tokoa ny fitiavanao.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay