Tsy eran'ny aina ny fahoriana nihatra taminay; mba tsy hitokianay ny tenanay

Tsy eran'ny aina ny fahoriana nihatra taminay;
mba tsy hitokianay ny tenanay,
fa hitokianay an'Andramanitra 
izay manangana amin'ny maty.

(Sal. 118)
 
1 Miantso anao ny saina, fo, fanahiko,
 Mba valio hatrany re, ry Tompoko,
 Ny fitsipikao hotanterahiko!
 
2 Indro ianao irery no antsoiko,
 Ka vonjeonao aho, ry Tompoko,
 Hotandremako ireo nambaranao.
 
3 Mbola tsy mazava ny atsinanana,
 Dia efa velona antso mitaraina aho,
 Miandry am-pitokiana 'zany teninao.
 
4 Mihoatra ireo mpiambina amin'ny alina,
 Zara raha mikipy 'tony masoko,
 Dia ny didinao no saintsainiko!
 
5 Mba henoy ny talahoko aminao,
 E! Tsy manam-petra ny hatsaram-ponao!
 Ny fitsarànao anie hamelona ahy.
 
6 'Reo mpanenjika ahy indreo manatona,
 Sy miray tetika amin'ny heloka,
 Ny lalàna atoronao nilaozany!
 
7 Fa ianao tsy lavitra, ry Tompoko,
 Marina avokoa ny didinao,
 Teninao no marina ifikirako!
 
8 Efa hatry ny ela d'indro fantatro,
 'Lay fanambaràna mba hamonjy anay,
 Dia naorinao ho marim-pototra.
 
9 Koa deraiko ianao, ry Ray mpiahy anay,
 Zanakao no lalana sy fiainanay,
 'Lay mitondra anay hanao ny sitrakao. 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 461
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009