Izaho no Mofon'ny fiainana, hoy ny Tompo

Nampiditra: Belle
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Vaovao p. "327
  • Vavaka sy Hira p. "507
  • Fihirana Hasina p. "186
  • Ankalazao ny Tompo p. "84
  • Fihirana Dera p. "194

Izaho no Mofon'ny fiainana, hoy ny Tompo;       )
'Zay manatona ahy tsy ho noana intsony,           ) (indroa)
'Zay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay e.  )
 
1 Lazaiko anareo fa izay mino ahy, hoy ny Tompo,
 No manana ny fiainana tsy manam-piafarana.
 Lazaiko anareo fa izay mino ahy no manana,
 No manana ny fiainana tsy manam-piafarana.
 
2 Sakafo mahavelona tokoa 'zany Teniko, hoy ny Tompo
 Anabavy sy rahalahiko 'zay mihinana azy. Sakafo...
 
3 Ny Nofo aman-dRako 'zay raisinareo, hoy ny Tompo,
 No Vatsy sy Aina mampiray anareo. Ny Nofo...
 
4 Raha tonga ny andro farany, hatsangako ho velona, hoy ny Tompo,
 Ireo mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako. Raha tonga...
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay