Tompo, jereo izahay sambatra mahita anao

Nampiditra: admin
Sokajy: Jesoa Kristy,


  • Fihirana Hasina p. "726
  • Vavaka sy Hira p. "486

1. Tompo, jereo 'zahay
Sambatra mahita Anao,
Jesoa, henoy 'zahay
Miteny aminao.

2. Tompo, jereo 'zahay
Feno lotom-pahotana,
Jesoa, vonjeo 'zahay
Diovy ny fonay.

Fiv.. Raiso 'zahay, ry Jesoa ó,
Renao va ny antsonay
Raiso 'zahay, tano 'zahay
Tsy handao Anao.

3. Tompo, jereo 'zahay
Malemy ny tenanay,
Jesoa, vangio zahay
Mba tsy ho rera-po,

4, Tompo, jereo 'zahay
Manantena ny Fonao;
Jesoa, antsoy 'zahay
Hitody aminao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0793 s.] - Hanohana anay