Ianao, ry Jesoa Tompoko, no nampahiratra ahy

1. Ianao, ry Jesoa Tompoko, no nampahiratra ahy,
Fa nikasika ny masoko hahita ny mazava;
Enga anie ka tsy hikimpy, fa hidera Anao ny foko,
Tsy ho jamba fa hahita ka hamonjy 'zay mijaly.
(Mt. 20, 34)

2. Nokasihinao ny lelako 'zay nifatotra hatrizay,
Dia nivaha ny fatorany hamaliany ny antsonao;
Enga anie ka tsy hitsahatr'aho ny hilaza ny hafatrao
Hampitraka ny olon-dresy, hampijoro ny olon-kivy.
(Mk. 7, 33)

3. He malady koa ny sofina izay donto teo aloha
Feo maro indray miantefa manodidina ahy izao;
Enga anie ny feonao mba ho reko lalandava,
Ka ho reko amin'ny antson'ny madinika rehetra,
(Mk. 7, 35)

4. Ianao, ry Jesoa Tompoko, no nampahiratra ahy,
Nampiteny, nampalady mba ho ohatra ho ahy;
Enga anie ka hotozoiko ny asa 'zay natombokao,
Dia hiaiky izahay rehetra fa ny vonjy avy aminao.
(Jn. 14, 12)

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 129
Fihirana Dera p. 199
Fihirana Hasina p. 513
Fihirana Vaovao p. 451
Vavaka sy Hira p. 482
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0327