Ny lanitra mamiratra

1. Ny lanitra mamiratra dia asanao, ry Tempo,
Ny volana sy kintana ary koa ny masoandro,
Ny ranomasimbe 'zay mivalona tsy miato,
Ny tananao, ry Tompo, no namolavola ireny.

2. Ny alabe mikitroka, ny havoana sy tanety,
Ny ríana sy ny ony mikoriana an-dohasaha,
Ny hazo izay mamelana mamerovero hanitra,
Ny tananao, ry Tompo, no namolavola ireny.

3. Ny biby mifanjevo sy mivelona amy tany,
Ny vorona miritsoka, mikalo fifaliana,
Ny zava-manana aina ary izao rehetra izao,
Ny tananao, ry Tompo, no namolavoia ireny.

4. Ny zava-manana aina ary izao rehetra izao
Fananan'olombelona nomena fahendrena,
Fa izy ireo kosa notolorana an'ireny
Dia an'i Jesoa Zanaka 'lay tokana hivondronana.

Nampiditra hery
Ankalazao ny Tompo p. 323
Fihirana Hasina p. 651
Vavaka sy Hira p. 481
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0237