Andriamanitra dia fitiavana,
Fitiavana mandrakizay.
1 Nohariany isika olombelona,
Notsoahiny tamin'ny tsinontsinona e,
Mba ho sambatra mandrakizay miaraka aminy.
2 Isan'andro isan'ora Andriamanitra
No mitandrina sy mitahiry antsika re,
Ka hobio sy derao izany tombom-pitiavany.
3 Sesehena ireo fahasoavana
Omeny antsika isan'andro vaky re,
Ka hobio sy derao ny anarany masina.