MiderĂ  an'Andriamanitra

Nampiditra: admin
Sokajy: Vavaka hariva, Andriamanitra Ray,


  • Vavaka sy Hira p. "468
  • Fihirana Hasina p. "591
  • Fihirana Vaovao p. "410

I. Miderà an'Andriamanitra
lanareo 'zay nataony;
Mihirà ny zavatra be
Nozarainy an-tany. (bis)
     2. Fody mena malemy feo,
     Mifalia filazana
     Ny namboarin'i Zanahary
     Ao an-kirihitr'ala (bis)
3. Kotro-baratra, manehoa
Ny hery ben'i Zanahary,
Hampangovitra izay malaina
Amin'ny fivavahana. (bis)
     4. Masoandro, vola-mazava,
     Kintana maro andrandraina,
     Manampia ny fiderana
     Ataonay ny Nahary. (bis)
5. Zanahary, tantazo aho
Mametraka aina an-tananao;
lanao Ray mamindra fo
Manome toky ahy. (bis)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay