Voninahitra anie ho an'ny Ray
Nampiditra: hery
Sokajy:
Trinité Masina,
Andriamanitra Ray,
- Vavaka sy Hira p. "464
- Fihirana Hasina p. "746
Fiv.: Voninahitra anie ho an'ny RayVoninahitra mandrakizay. 1. Dera ho Azy noho ny aina
Ary koa noho ny saina
Anefana izay rehetra ilaina.
2. Dera noho ny hafaliana
Ary koa ny fijaliana
Andreseny ny fahakiviana.
3. Dera noho ny fahasoavana
Entintsika hifankatiavana
Ary koa hifanasoavana.
4. Dera noho ny fiezahana
Itambarana, iarahana
Hanorenana ny fahafahana.
(miova ny feony) 5. Ary aoka, ry Ray,
Tsy hisaraka izahay
Fa hidera Anao mandrakizay.