Manaova Komonio Tsara!

Araka ny taratasin'ny Eveka katolika amerikana, ny 14 novambra communion.jpg2006 (jereo eto)

Mamporisika ny mpino hanao komonio matetika ny Fiangonana, ary manampy azy ireo hanomana sy hanatsara lalandava izany ho amin'ny lalam-pahamasinana. Famintinana ny taratasin'ny Eveka amerikana Sambatra izay voaantson'ny Zanak'ondry amin'ny fanasana no zaraiko aminao eto. Ankoatra ireo zavatra dimy avohitr'io taratasy io, dia azonao jerena moa amin'ny teny anglisy raha tianao halalinina[1] ao amin'ny http://www.usccb.org/dpp/Eucharist.pdf

Taorian'ny teny fampidirana maneho ny fahambonian'ny Komonio Masina[2], dia nanao ireto fanambarana ireto ny Evekan'i USA, nefa heveriko fa fampianaran'ny Fiangonana ho antsika rehetra izy ity ka mila halalinina sy hotsakotsakoina handinihan-tena.

1. Inona no hinoantsika amin'ny hoe : Komonio masina?

Ny Komonio dia ny fandraisana ny Eokaristia izay Jesoa Kristy marina tokoa. Tsy hoe Eo fotsiny izy, na hoe ao fotsiny fa io Izy. Izay fiovan'ny mofo sy ny divay ho zary Vatana sy Ran'i Kristy izany no ambaran'ny teny hoe : transubstantiation ka rehefa mihinana sy misotro ny mofo sy divay isika dia mihinana sy misotro ny Vatana aman-Ran'i Kristy, ary araka izany miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Azy, mandray anjara amin'ny fitsanganany ho velona izay loharanon'ny fahamasinana rehetra.

2. Inona no hevitr'izany Fiombonana amin'i Kristy ao amin'ny Komonio masina izany?

Zavatra telo ahay no mila avohitra :

    • Miombona anjara amin'ny Sorona tokan'i Kristy

Ny fandraisana komonio dia mampiombona antsika amin'i Kristy nanolotra ny tenany ho sorona teo ambony Hazofijaliana, ka higohantsika ny soa avy amin'izany, indrindra ny fiombonana amin'ny Ray, entanin'ilay Fanahy fitiavana, izay manome hery antsika hanohitra ny fahotana sy handresy ny fahalemena mpahazo, ka hihamasim-piaina hahafoy tena am-pitiavana ho an'ny hafa.

    • Miombona amin'ny hafa

Marina fa ny isam-batan'olona no milahatra manao Komonio, nefa kosa, komonio mampiombona ny tsirairay amin'i Jesoa, ary noho izany dia mampiombona ihany koa ny tena samy tena. Tonga Vatana iray ao amin'i Kristy izay mandray Azy ka tsy afaka misaraka amin'izay miombona ihany koa amin'i Kristy, tonga tena iray ihany ao amin'i Kristy ka tsy ho sanatria handevozin'ny filany samirery intsony fa hafana fo kosa hikatsaka ny soa iombonana, satria mahatsiaro ho tompon'andraikitra amin'izany.

    • Miombona amin'ny fitsanganan'i Kristy ho velona sy amin'ny maha-Andriamanitra Azy

Izay manao komonio dia misantatra sahady ny Fanasana any amin'ny Fiainana mandrakizay : "izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia manana ny fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro" (Jn 6, 54ss) satria izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia mitoetra ao amiko ary izaho ao aminy..." Izay fiombonana amin'i Kristy izay dia fiombonana koa amin'ny Ray, ka manamafy ilay fahariana hitovy endrika aminy, noho ny herin'ny Fanahy Masina.

3. Iza no afaka mandray komonio?

komonio.jpgNy Komonio dia tsy fanombohana fa fanamafisana ny fiombonana efa misy. Mazava loatra araka izany fa ireo miombona amin'ny fiangonana katolika ihany no afaka mandray komonio mandritra ny lamesa : ireo vita batemy ary mankatò ny finoana katolika[3].

Mannkahery ny finoana iombonana ary manamafy ny firaisan'aina amin'i Kristy ny komonio, ka araka izany dia mampitombo ny fahamasinana. Tsy azo adinoina fa Loharano ary tendro hifaharan'ny fiainana kristianina ny Eokaristia.

4. Oviana no tsy tokony hanatona handray Komonio?

Antony telo lehibe no ambaran'ny Eveka :

1- Rehefa very ny fahasoavana mahamasina, noho ny fahotana mahafaty[4] vita nefa mbola tsy nanenenana sy tsy nahazoana famotsorana (konfesy).

2- Rahefa mahatsiaro fa tsy miombona amin'ny fampianaran'ny Fiangonana intsony, na noho ny safidim-piainana, na noho ny asa aman'andraikitra, ka mitsipaka an-kitsirano ny fampianaran'ny Fiangonana. Tsy azo afangaro amin'ny mety ho tsy fahatakarana izay tian'ny Fiangonana holazaina anefa izany, fa hiezahana halalinina na anontaniana ny tompon'andraikitra.

3- Ireo olona miaina amin'ny toe-pahotana, na ireo nahavita heloka bevava (scandale public) ka mety ho fanafintohinana ho an'ny hafa ny andraisany Komonio, mialoha ny fanaporofoany ankarihary koa ny fibebahany.

5. Inona no tokony hatao mba hiomanana amin'ny komonio tsara?

Fanomanana maharitra :

  • Ny vavaka sy ny famakiana ny Tenin'Andriamanitra
  • Ny fanatontosana ny andraikitra tandrify ny tena (araka ny fitiavana)
  • Ny fandinihan-tena isan'andro sy ny fandraisana ara-potoana (regulier) ny sakramentan'ny fampihavanana sy ny fibebahana (konfesy).

Ny fanomanana akaiky :

  • ny fitombenan-tsaina, indrindra anatin'ny fahanginana mialoha ny Sorona Masina.
  • Ny fifadian-kanina sy zava-pisotro (ankoatry ny rano sy ny fanafody) ora iray alohan'ny komomio.
  • Ny fitafiana maotona, mendrika ny fankalazana ary manampy ny hafa hivavaka.
  • Fanaovana tsara ireo Vavaka fifonana mandritra ny lamesa.
  • Ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra, hampirehidrehitra ny fo handray komonio.
  • Ny Vavaka Fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahariana sy ny asam-panavotana.
  • Ny fanaovana ny Fivavahana nampianarin'ny Tompo.
  • Ny fifanomezam-piadanana, mariky ny fifamelana tanteraka.
  • Fanantonana am-panajana sy am-pitiavana ny latabatra masina amin'ny Komonio.
  • Ny fitiavana sy ny fisaorana, anaty fahanginana sy fitombenan-tsaina rehefa avy nandray an'i Jesoa.

Fehiny :

Tsy tokony ho fahazarana ny fandraisana ny Komonio masina fa tokony hanampy antsika kosa hiha-masina hatrany, hampitombo ny finoana sy ny fitiavana an'Andriamanitra izay hanosika hitia sy hanompo ny olombelona ho an'ny soa iombonana.



[1] Satria ny ataoko eto dia dikan-teny malalaka hilazana ireo hevidehiben'ny taratasy fotsiny fa tsy azo raisina ho dikan-teny loatra.

[2] Ny Fankalazana ny eokaristia no ivom-piainan'ny Fiangonana, satria sady hahatsiarovana sy hivelomana indray ny Sorom-panavotan'i Kristy no hanandratana ny Vavaka Fisaorana sy Fiderana amin'Andriamanitra, amin'ny fihinanana sy amin'ny Fisotroana ny Vatana aman-dRan'i Kristy ao amin'ny Komonio. Ny fanasana ataon'ny Mpisorona amintsika ho amin'ny fahasambaran'izay voaantso handray anjara amin'ny Fanasan'ny Zanakondry, ilay manala ny fahotan'izao tontolo izao diavalian'ny Mpino amin'ny tenin'ilay tomponjato hoe : "tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafontranoko aho tompoko, fa manonona teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko" (Mt 8, 8). Ny fahosantsika satria olombelona ihany moa, dia manosika antsika hanetry tena hahatsiaro fa tsy misy na iza na iza mendrika fanomezana lehibe sy mendri-kaja toy izany : Izy Tompo manolotra ny tenany ho antsika ao amin'ny Eokaristia, mba handraisantsika anjara amin'ny fahamasinany.

[3] Momba ireo tsy katolika manatona mandray ny Komonio dia nanao fanambarana manokana ny eveka amin'io taratasy io : "Ireo tsy katolika nefa maniry ny hiara-mivavaka amin'ny katolika dia tsy atosi-bohotanana. Raha ny marina anefa dia tsy tokony handray komonio izy ireo, raha tsy hoe amin'ny fepetra manokana apetraky ny lalàna ho an'ireo kristiana tsy katolika nefa vita batemy. Tsy hoe fanavakavahana tsy akory fa mazava ny antony : tsy miombona tanteraka amin'ny fiangonana izy ireo. Amin'ny tranga mety haneken'ny Eveka ny handraisany ny komonio anefa dia mila hamarinina ireto fepetra efatra ireto :

  • 1- tsy afaka mankany amin'ny fiangonana misy azy ilay olona (lavitra na tsy misy mihitsy)
  • 2- Izy no mangataka hanao komonio.
  • 3- Ankatoaviny ny foto-pinoana katolika momba ny eokaristia
  • 4- Tsy misy sampona manakana azy ary efa nivonona ny amin'izany izy.

[4]Fandikàna ny didim-pitiavana (Didin'Andriamanitra) antsitra-po sy am-pahalalana, tamin'ny zavatra lehibe, na tamin'ny adidy tsy vita izany, na tamin'ny hevitra, na tamin'ny teny na tamin'ny zavatra vita...

Hevitra mandeha

rasoafidy ( 24/05/2013 07:43)
Tompoko, misaotra @ fandalinam-pinoana hita ato.
Ialako tsiny nefa fa na mpino kristianina ao @ Eglizy katôlika aza aho dia misy ny zavatra tsy eken'ny saiko ho marina @ zay voalaza eto :
- lovan-tsofina : amiko ny fandraisana ny lovan-tsofina ho anisan'ny loharanom-pinoana dia fanaovana tsinotsinona ny Soratra Masina izay efa napetraky ny olona niaraniaina akaiky t@ Andriamanitra teo @ fiainany sy nahita ary niara-niaina t@ i Jesoa Kristy. Amiko dia tokana sy marina ny Soratra Masina ary FENO. Ny lovan-tsofina dia toy ny fitadiavanareo porofo à zavatra voasaoratra anaty Soratra Masina, ka aiza ho aiza @ zany ny ilaina ny teny "Sambatra izay mino nefa tsy nahita"?, sy ny fahakivian'i Jesoa t@ fitadiavan'ny olona famantarana tahaka an'i Jonasy, izay vao mino?
- Afo Fandiovana :amiko dia tokana ihany ny lalana : ety antany miezaka mandray ny Fahamasinana, rehefa tonga ny fotoana dia ny fitsaran'ny lanitra no hamaritra na andeha afobe ianao na handeha fiainana mandrakizay (ohatra azo raisina ny tantaran'i Lazara sy ilay mpanankarena nangataka hovonjena): tsy misy izany afo fandiovana izany.
- Famotsoran-keloka / Komonio :ny konfesy dia zavatra efa tsy nataoko intsony satria antony : terena fotsiny tsy hijery ilay mpampikôfesy @ maha olombelona azy, kanefa izaho dia tratran'ny kônfesy niaraka @ pretra mamofona toaka tanteraka , nefa dia nekena hanatanteraka ilay asa ihany. Faharoa izaho dia efa resy lahatra fa i Jesoa Kristy no lalana tokana, ka @ alalany irery ihany no ahazoako famelan-keloka. Amiko koa ny nanoloran'i Jesoa tena teo @ hazo fijaliana dia ny hamonjy ny OLONA REHETRA tsy ankanavaka, nefa ny Fiangonana Katôlika mbola mametraka lalàna @ fitsinjarana heloka ho kely na lehibe etc.....sy manapaka @ heloka tokony votsorana sy tsy votsorana : amiko izany fandroahana ny mpino hiala tsy ho anisan'ny ondrin'Andriamanitra satria dieny ety antany izy dia efa kivy fa tsy ho voavela intsony ny helony, nefa tsy izay no asa nanirahan'i Kristy ny Fiangonana.Mitsara alohan'ny fitsarana farany ny fahazahoako an'izany, maka ny fahefàn'i Kristy sahady.
Mety tsy ampy angamba ny fanakarako ny hevitra arosonareo, na ny hevitra arosonareo mihitsy no tsy mitarika ahy hino ireo zavatra ireo fa miezaka fotsiny manamarina hoe tsy diso ny katôlika mino ireo zavatra ireo. Kanefa na ny andiantSoratra Masina raisinareo ohatra aza tsy misy manambara izay tianareo hohamarinina.
Izaho dia mino an'Andriamanitra, Jesoa Kristy, Fanahy Masina. Izaho koa dia manaja an'i Masina Maria.
Misaotra anareo.
VB33 ( 03/07/2013 12:11)
Malahelo aho milaza aminao RASOAFIDY fa tsy tena katolika feno ianao satria mandà ny sakramentan'ny fampihavanana izay tsy misy afatsy ao anatin'ny fiangonana Katolika, enga anie ianao tsy handray komonio intsony satria lasa sacrilège ho anao izany ary tsy hahasoa anao akory satria mandray ny vatan'ny Tompo tsy am-pahamendrehana ianao ka manameloka anao indray izany.I Jesoa mihitsy no nametraka io sakramenta io jereo ny Matio 18,18 Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin'ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na na inona na inona hovahanareo etý ambonin'ny tany dia ho voavaha any an-danitra.Tsarovy fa manasitrana ny fanahy ny fanaovana ny Konfesy na manao fahotana madinika aza, maika fa fahotana lehibe, ary raha vao misy hevi-dratsy fotsiny ao amintsika dia efa fahotana izany hoy i Jesoa.Ka hoy ny toro hevitro aminao: Mandehana re miverina mikonfesy dieny mbola misy pretra sy fotoana fa mahasoa izany ary didin'ny Eglizy Katolika koa ny mikonfesy rehefa vanim-potoana lehibe ohatra: Paka, Krismasy.Hoy isika amin'ny vavaka Finoana: Andriamanitra , izaho mino mafy ny teny rehetra , inoan'ny Eglizy Masina Katolika satria Ianao no nanambara izany taminy!ao anaty boky VAVAKA SY HIRA io.Anjaranao ny mamaly raha tena Katolika ianao na tsia fa tsy misy ny eo anelanelany!

AFO FANDIOVANA : Misy ny afo fandiovana: taratry ny famindram-pon'Andriamanitra izany ary koa porofo fa tsy tiany ho very izay rehetra mino azy!"Aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan'ny Eglizinao" hoy ny pretra amin'ny lamesa alohan'ny fifanomezam-piadanana.
Ny fiheverako azy dia hita ao am baiboly izany : Matio 18,34-35Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. 35Dia ho tahaka izany koa no hataon'ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo. >
Tsara raha vakianao manomboka amin'ny andininy 23 io .
Ao am Korintianaina I, toko-3, and 13 :ary ny andron'ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin'ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan'ny olona tsirairay isam-batana: 14maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy; 15may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin'ny afo. Afaka vakianao koa ny andininy maro alohan'io.

Tsy ary ho voatanisa fa ao amin'ny Zakaria ao koa misy raha afaka mamaky ianao.

Tsarovy fa ireny fampianarana nataon'ny Fanahy Masina antsika taty aoriana araka ny nambaran'i Jesoa hoe: ny Fanahy Mpanazava no hampianatra anareo zavtra maro any aoriana any!ireny fampianarana ireny no totohatra mitondra antsika amin'ny fahamasinana izay antoka hampiray amintsika amin'Andriamanitra:"Aoka ho masina ianareo toa ny Ray izay any an-danitra".

Anisan'ny tsy tian'ny demony mihitsy ny fahitana ny olombelona matoky ny famindrampon'Andriamanitra, sy ny fanatonana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny konfesy, koa anao ary ny safidy!


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0458