Ny katolika, ny fanalan-jaza ary ny fandraisana komonio

Amin’ny maha Eveka anay, dia manana adidy izahay hampianatra sy hitantana ny Mpino Katolika iandraiketanay ao amini’ Kristy. Isan’ny zava-dehibe ampianarin’ny Fiangonana Katolika ny fitandrovana ny aina. Io fampianarana io dia nipoitra avy amin’ny lalànan’ny natiora ary efa nambaran’Andriamanitra rahateo.

Fanomezan’Andriamanitra ho antsika ny aina, hita miharihary izany amin’ny didy nomeny antsika : “Aza mamono olona” (Det 5 : 17). Araka ny Testamenta Taloha dia sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra ny ain’ny zaza ao am-bohoka : “Efa fantatro talohan'ny namoronana anao tao am-bohoka hianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao hianao, dia efa nohamariniko” (Jer 1 : 5). Ny zo hovelona dia Fahasoavana “tsy azon’olona, na manam-pahefana, na firenena foronina, na ovaina na foanana ; fa natao hankatoavina, hajaina ary hasandratra”(Papa Joany Paoly II, Evangelium Vitae, 71a). Tsy ara-drariny araka izany ny lalàna mamela ny famonoana olona tsy manan-tsiny amin’ny alalan’ny fanalana zaza, noho izy manohitra mivantana ny lalànan’ny natiora, ny didin’Andriamanitra, ary ny fahafahan’ny tsirairay hiaina manomboka amin’ny nahatorotoronina azy ka hatramin’ny fahafatesany voajanahary.

Manana adidy ny Katolika mpiasam-panjakana hampiseho io fampianaran’ny fiangonana io amin’ny asam-bahoaka, ary hiaro ny ain’ny tsy manan-tsiny rehetra. Tsy tokony hisy fifanoherana eo amin’ny fahasoavana noraisina tamin’ny Batemy sy ny finoana Katolika andaniny, ary ny fampisehoana izany eo amin’ny fiaraha-monina ankilany. Ny Katolika manohana ny fangatahana hanala zaza dia miray tsikombakomba amin’io asa ratsy io. Ny fanohanana ny fanalana zaza dia fandraisana anjara amin’izany fahotana lehibe izany, ary tsy hahafahana mandray Komonio (Jereo Canon 915).

Ny Eokaristia no mampiombona ny fianakaviam-be Katolika, atambatry ny finoana iray, ao amin'i Kristy. Tompon’andraikitra feno amin’ny fahamendrehany hiroso amin’io fiombonana ao amin’i Kristy io ny Katolika tsirairay. Mitaky fahavononana avy amin’ny tsirairay ny fandraisana anjara amin’ny Komonio Masina dia ny faharetana amin’ny fahasoavana, ny fiombonana amin’ny finoan'ny Fiangonana, ny Sakramenta ary ny rafitra misy eo anivon’ny Fiangonana (Papa Joany Paoly II, Ecclesia de Eucharistia, 35-38).

Tsy mendrika handray anjara amin’ny Komonio Masina ny olona manohitra “ampahamalinana, miharihary, amin'ny fomba hentitra” ny fampianaran’ny fiangonana amin'ny fitondra-tenany (Ecclesia de Eucharistia, 37b). Tsy ampy fahamendrehana handray ny Komonio Masina ny olona manohana ny hanaovana ny fanalana zaza ho araka ny lalàna. Noho ny famelana ny fanalana zaza ho ara-dalàna mirakitra fahotana lehibe, dia tsy tokony handray anjara amin’ny Komonio Masina ny olona manohana izany.

Araraotina koa izao fotoana izao hanairana ny Katolika manana finoana sy fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly sy ny fampianaran’ny Fiangonana. Mba handraisana ny Fahasoavan’Andriamanitra – ny Vatana, ny Ra, ny Fanahy ary ny Fomban’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika – dia tsy tokony hanana fahotana mahafaty isika rehefa manao Komonio. Izay mahafantatra fa mitoetra ao anatin’ny fahotana mahafaty izy dia mila mandray ny Sakramentan’ny Fampihavanana alohan’ny handraisana ny Komonio. Ny fananana anjara amin’ny Eokaristia dia midika fananana anjara ao amin’i Kristy ihany, ary mitaky fahamendrehana sy fahavononana avy amintsika ny fiombonana amin’Izy Tompontsika.

Noho ny Katolika miasa amin'ny asam-bahoaka manana fahafahana hisarika ny fitondran-tenan'ny mponina andavanandro, dia ambaranay fa ny Katolika miasa asam-bahoaka ka miventy firehan-kevitra manohitra ny fampianaran’ny Fiangonana mikasika ny fahamasinana sy fahambonian'ny ain’olombelona, indrindra ireo milatsaka hofidiana na ireo voafidy hiasa amin’ny asam-panjakana, dia tsy mendrika handray ny Komonio Masina na aiza na aiza amin’ny Fiangonana Katolika eo ambany fiadidianay : ny arsidiosezin’i Atlanta, ny Diosezin’i Charleston ary Charlotte. Tsy mahazo mandray Komonio izy ireo raha tsy mihavana amin’ny Fiangonana, mahazo ny fanekena sy fankatoavan’ny Eveka eo an-toerana, ary mitsipaka ampahibemaso ny fanalana zaza nankasitrahany taloha.

Noraisinay izao fepetra izao, mba hitandroana ny fahamasinana sy fahambonian'ny Sakramenta Masina, hampatoky ireo miaina ao amin'ny finoana, ary hamonjena ny mpanota.

Mgr John F. Donoghue – Arsevekan'i Atlanta

Mgr Robert J. Baker – Evekan'i Charleston

Mgr Peter J. Jugis – Evekan'i Charlotte

 

(Rohy : http://www.catholicculture.org/library/view.cfm?id=6095&repos=1&subrepos=&searchid=84820 )
Nandika: Pissoa

 

Hevitra mandeha

myriama76 ( 07/09/2013 01:36)
Miarahaba antsika rehetra,
mba misy fanontaniana manitikitika ahy. Ahoana ny hevitry ny Eglizy momba ireny olona manome ny vatany ho an'ny science (anaovana expérience) ireny rehefa maty izy. Azo ekena ve sa tsia?
Misaotra an'izay afaka mamaly
princen ( 01/12/2013 11:57)
raha amiko manokana dia tsy mety ary fahotana izany fanomezana vatana izany , araka ny finoantsika Kristianina dia "TEMPOLIN'ANDRIAMANITRA NY TENANTSIKA" ka tsy maintsy hitandrovantsika , maro ny zavatra tokony hanaovana experience fa tsy aminy olombelona akory .
mitovy amin'olona mamono tena ihany raha manome vatana hanaovana experience ,
" la suicide ne pas la volonté de Dieu"

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815