Vavaka Maraina

Alahady faha-1 amin'ny Fiaviana

Alahady 29 Novambra 2026 · Herinandro I · Volomparasy · Fankalazana

Hiverina

Fanaingana

A. Andininy · V. Valiny

A. Tompo ô, sokafy ny molotro.
V. Dia hanambara fiderana Anao ny vavako.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. *
Ho tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen. Aleloia.

Salmo Fanaingana

SALAMO 94

Fiangaviana hidera an’Andriamanitra

Mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio» (Hebrio 3,13).

SasinyAvia isika hitsaoka ilay Tompo Mpanjaka ho avy.

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin'antsa:
fa Andriamanitra lehibe ny Tompo,
Mpanjaka ambonin'ny andriamanitra rehetra.

Fa ny fototry ny tany eo an-tanany,
ny tampon'ny vohitra Azy koa;
Azy ny ranomasina fa nataony,
sy ny tanety fa voatran'ny tanany.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan'ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika;
isika kosa vahoakany, ondry eo an-tanany.

Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an'efitra,
tamin'ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.

Efapolo taona ilay taranaka
nanorisory Ahy sesilany.
Vahoaka tsy mahitsy fo ity, hoy Aho;
tsy ho azony mihitsy ny lalako.
Tezitra Aho ka nianiana marimarina hoe:
«Tsy hiditra any amin'ny fitsaharako ireto!».

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny
Fanahy Masina.
Ho tahaka ny taloha ny ankehitriny sy mandrakizay.
Amen.

SasinyAvia isika hitsaoka ilay Tompo Mpanjaka ho avy.

Hira Fanombohana

Aza milomay etsy sy eroa (tak. 148)

Fiv: Aza milomay etsy sy eroa
Fa izay misy anao
no toerana hiverenan’i Kristy!

Tsy hanameloka akory ny Ray:
Fa ny Zanaka no efa nomeny
Ny fitsarana.
Tsy hanameloka anao koa ny Zanaka:
Fa tsy tonga hanameloka Izy
Fa hamonjy.

Koa ny teniny no hitsaràna anao:
Izay mandà tsy mandray ny teniny
Dia voatsara.
Ny tenanao dia ianao no hitsara
Ka amin’ny andro hiverenany ianao
Ho voavonjy.

Manatòna ny Fahazavana
Fa ny loto ao am-ponao rehetra
Ho voadio.
Ho hainao fa ny zava-drehetra
Raha tsy ao aminy dia maty,
Zava-poana.

Raha helohin’ny fonao ianao
Lehibe noho ny fonao ny Tompo
Be fitiavana.
Izy hamela ny fahotanao
Ka ianao hodioviny hohamarininy,
Marina Izy!

Tsy izaho no Ilay voalohany (tak. 149)

Tsy izaho no Ilay voalohany
Satria Izy no efa talohako
Fa izaho dia mpialoha lalana
Izy kosa mizotra eo alohako.

Tsy izaho no Fahazavana
Fa mpaneho ny Fahazavana
Tsy izaho no tokony hinoana
Fa Izy indrindra no Fahamarinana.

Tsy izaho no Ilay Mpaminany
Fa mpitory ny fahatongavany
Tsy izaho no Ilay Kristy
Fa izaho dia mpisava ny lalany.

Tsy izaho Ilay mpanala ota
Fa Ilay Zanak’Ondrin’ny Ray
Izaho miantso ny olona hibebaka
Izy kosa hamela ny heloka.

Miantso mafy aho, ô ry Ray (tak. 150)

Miantso mafy aho, ô ry Ray,
Noho ny hafalian’ny foko.
Fa ny fanavotanao
Efa akaiky anay izao,
Ao am-baravaranay,
Fa satria efa nambaranao anay an-karihary
Ny tsiambaratelonao.

Miantso mafy aho, ry Kristy,
Noho ny hafalian’ny foko.
Fa Ianao mandondòna
Ao anaty fonay ao:
Hafalianay Ianao
Fa satria Ianao manatona hamonjy anay mpanota
Amin’ny Ranao famelana.

Miantso mafy aho, ry Fanahy,
Noho ny hafalian’ny foko.
Fa Ianao no nampientana
Hafaliana an’i Joany
Fony tao an-kibon-dreniny:
Eny, Ianao no nampientan-kafaliana an’i Jesoa,
Mampamokatra hafaliana.

Miantso mafy aho, ô ry havana,
Noho ny hafalian’ny foko.
Fa izay jamba efa hahiratra,
Ary izay nanampin-tsofina
Efa haheno Ilay Mpamonjy:
Ary isika izao dia faly afaka mitory koa
Ny Vaovao Mahafaly.

Salamo sy Tononkira

SALAMO 62,2-9

Fanahy, mangetaheta ny Tompo

Miari-tory mitodika any amin'Andriamanitra izay mitsipaka ny asan'ny alina.

SasinyAmin'izany andro izany ny tendrombohitra hitete mamy, ny havoana hitsonika ronono aman-tantely, aleloia.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro! *
Vao maraina aho maniry Anao.
mangetaheta Anao ny fanahiko; *
matimaty Anao ny nofoko:
toy ny tany maina mangentana, *
toy ny tany haraka mila rano.
Tao an-toeranao masina no nahitako Anao; *
tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao:

ka ny molotro nidera Anao, *
fa ny fitiavanao: tsara noho ny aina!
Eny, hisaotra aho raha mbola velona; *
ny Anaranao hanandratako tanana:

ka ny fanahy ho heni-tsoa, *
ny molotra hihoby, ny vava hidera.
Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana, *
tontolo alina mihevitra Anao.

fa notsenainao ny vonjinao aho, *
ka nibitaka alofan'ny elatrao;
ny fanahiko mifikitra Aminao, *
ny tananao mihazona ahy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyAmin'izany andro izany ny tendrombohitra hitete mamy, ny havoana hitsonika ronono aman-tantely, aleloia.

TONONKIRA DANIELA 3,57-88.56

Ny voaary tontolo aoka hidera ny Tompo

Derao ny Andriamanitsika, ry mpanompony rehetra (Apôkalipsa 19, 5).

SasinyNy tendrombohitra sy ny havoana hihira fiderana eo anatreh an'Andriamanitra, ny hazo rehetra any an'ala hitehaka, fa ho avy ny Tompo mpandresy, hanjaka mandrakizay, aleloia.

Ianareo rehetra asan'ny Tompo, isaory ny Tompo; *
Hirao Izy, asandrato mandrakizay!
Ry Anjelin'ny Tompo, isaory ny Tompo; *
hirao Izy, asandrato mandrakizay!

Ry lanitry ny Tompo, isaory ny Tompo; *
Ry rano ambonin'ny lanitra, isaory ny Tompo!
Ry tafiky ny Tompo, isaory ny Tompo! *
Masoandro amam-bolana, isaory ny Tompo!

Ry kintan'ny lanitra, isaory ny Tompo! *
Ry orana aman'ando rehetra, isaory ny Tompo!
Ry rivotra rehetra, isaory ny Tompo! *
Ry afo sy hain'andro, isaory ny Tompo!

Ry hatsiaka sy fanala, isaory ny Tompo! *
Ry ando sy erika, isaory ny Tompo!
Ranomandry sy havandra, isaory ny Tompo! *
Oram-panala sy zavona, isaory ny Tompo!

Ry alina sy antoandro, isaory ny Tompo! *
Ry hazavana sy haizina, isaory ny Tompo!
Ry rahona sy helatra, isaory ny Tompo! *
Hirao Izy, asandrato mandrakizay!

Ianao koa, ry tany, isaory ny Tompo! *
Tendrombohitra sy havoana, isaory ny Tompo!
Ireo zava-maniry, isaory ny Tompo! *
Ry loharano rehetra, isaory ny Tompo!

Ranomasina sy ony, isaory ny Tompo! *
Ry trozona sy trondro, isaory ny Tompo!
Ry voron'ny lanitra, isaory ny Tompo! *
Biby fiompy, bibidia, isaory ny Tompo!
Ry zanak'olombelona, isaory ny Tompo! *
Ry vahoaka Israely, isaory ny Tompo!
Ianareo mpisorona, isaory ny Tompo! *
Ianareo mpanompo, isaory ny Tompo!

Saina, fanahin'ny olo-marina, isaory ny Tompo! *
Olo-marina sy mpietry ao am-po, isaory ny Tompo!
Anania, Azaria, Misaely, isaory ny Tompo! *
Hirao Izy, asandrato mandrakizay!

Isaory ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina! *
Hirao Izy, asandrato mandrakizay!
Isaorana Ianao, ry Tompo, eny amin'ny habakabaka: *
Ianao mendrika ny laza sy ny voninahitra mandrakizay!

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyNy tendrombohitra sy ny havoana hihira fiderana eo anatreh an'Andriamanitra, ny hazo rehetra any an'ala hitehaka, fa ho avy ny Tompo mpandresy, hanjaka mandrakizay, aleloia.

SALAMO 149

Fifalian'ny Olomasina

Ireo zanaky ny Fiangonana, ireo zanaky ny vahoaka vaovao, aoka hiravo amin'ilay Mpanjakany, hiravo amin'i Kristy (Hesychius).

SasinyIndro ho avy ilay Mpaminany lehibe: Izy no hanavao an'i Jerosalema, aleloia.

Ihirao hira vao ny Tompo; *
miderà, ry fiangonan'ny mpivavaka;
i Israely aoka hifaly amin'Ilay nanao azy! *
ireo zanak'i Siôna miravoa amin'ilay Mpanjakany,
handihy no midera ny Anarany! *
amin'amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny olony; *
ny ory tolorany vonjy.

Ny mpivavaka mihendratrendratra *
manao hobin-kafaliana.
Indreo izy mihira fiderana, *
mitana sabatra maranitra,

hamaliana an'ireo vahoaka, *
hamelezana an'ireo firenena.
Ny mpanjakan'ireo, hogadraina; *
ny filohany koa hogiazina:

ny mampihatra ny didim-pitsarana *
no voninahitr'ireo mpivavaka.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

SasinyIndro ho avy ilay Mpaminany lehibe: Izy no hanavao an'i Jerosalema, aleloia.

Vakiteny Fohy

RÔMANINA 13, 11b-12

Fotoana tokony hifohazantsika amin'ny fatoriana izao; fa
ankehitriny, akaiky antsika ny famonjena, fa tsy tahaka
antsika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky
ny andro. Ka ario ny asa n'ny maizina, fa tafio ny fiadian'ny mazava.

Valy fohy
V. Ry Kristy Zanak'Andriamanitra velona,
* Mamindrà fo aminay.
Ry Kristy Zanak'Andriamanitra velona,
Mamindra fo aminay.
A. Ianao ilay ho tonga eto amin'izao tontolo izao.
* Mamindrà fo aminay.
A. Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka
sy ny Fanahy Masina.
V. Ry Kristy Zanak'Andriamanitra velona,
*Mamindrà fo aminay.

Tononkira araka ny Evanjely

SasinyNy Fanahy Masina no hidina ao aminao, ry Maria: ka aza matahotra, fa ho ao an-kibonao ny Zanak ' Andriamanitra, aleloia.

Tononkiran'i Zakaria (Lioka 1, 68-79)

Isaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely, * fa namangy sy nanavotra ny olony Izy ;

nanangana tandro-pamonjena ho antsika * teo amin'ny fianakavian'i Davida mpanompony ;

araka ny nampilazainy ny mpaminany masina hatramin'ny ela : * dia ny famonjena antsika ho afaka amin'ny fahavalontsika...

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...

SasinyNy Fanahy Masina no hidina ao aminao, ry Maria: ka aza matahotra, fa ho ao an-kibonao ny Zanak ' Andriamanitra, aleloia.

Ranom-bavaka

Manome fahasoavana antsika Andriamanitra Ray, hiandrasantsika ny fanambaràna an'i Jesoa Kristy Tompontsika; koa mivavaha aminy manao hoe:
Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao.

– Tompo ô, hamasino ny sainay sy ny fanahy amambatanay;
*ary arovy izahay tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'ny Zanakao.
– Ataovy mizotra amin'ny fahamasinana izahay amin'
ity andro ity;
*ary ataovy marina sy be fitiavana mandritra ny fiainanay eto an-tany.
– Ataovy mitafy an' i Kristy izahay;
*ataovy feno ny Fanahy Masina.
– Ataovy vonona lalandava izahay, ry Tompo,
*eto am-piandrasana ny Zanakao hiseho amim-boninahitra.

Rainay any an-danitra

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanin-kohaninay isan'andro, mamelà ny helokay tahaka ny ametrahanay ireo izay nanao ratsy taminay, ary aza avelanao ho lavo amin'ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen.

Vavaka Famaranana

Vavaka any amin'ny Vaninandro manokana avy.

Ho tahin'ny Tompo anie isika, sy harovany amin'ny ratsy rehetra, ary hotarihiny ho any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.